Hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fifidianana ny tontolon’ny kitra eto Madagasikara. Hisantatra izany ny seksiona miisa 101 manerana ny Nosy. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 1 sy 2 jolay ho avy izao izany. Manoloana io, nanao antso avo amin’ireo klioba rehetra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, efa ho roa herinandro izay, Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha tsy handeha handatsa-bato ka nanomezany ny lohateny hoe: “Rodobe ho an’ny baolina kitra”.
Anton’izany, ny tokony hanovana ny sata mifehy ny federasiona malagasy, amin’ izao fotoana izao, izay efa lany andro ka nahatonga ny risoriso sy korontana etsy sy eroa. “Aleo omena hasina ny klioba fa tsy natao ho an’ olom-bitsy 22 ny hanapaka ny hoavin’ny baolina kitra. Ndeha tsy handatsa-bato ka ezahina tsy ho tratra ny fetr’isa “quorum”. Aza manahy fa tsy misy fiantraikany amin’ny Barea sy ny fifaninanana atao ny tsy fanaovana izany”, hoy izy. Koa miantso ny klioba rehetra ho tonga saina sy handray andraikitra amin’ny fanarenana ny baolina kitra ny tenany.
Ny vahaolana hampandrosoana ny baolina kitra dia ny fanitsiana io sata io, hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny. Rehefa voaova io, vao hiroso amin’ny fifidianana ny rehetra, raha ny antso avo nataon’i Faneva Ima hatrany.
Tompondaka