Fahafaham-baraka ny an’ny Barea beach soccer, izay tsy hiatrika ny lalao afrikanina amin’ny torapasika 2023. Noho ny tsy fahampiana eo amin’ny hoenti-manana, tsy afaka ny handray anjara ny Malagasy.
Nambaran’Ambinintsoa Harivelo, filohan’ ny delegasiona malagasy, tetsy amin’ny foibe toeran’ny Komity olympika malagasy (KOM), omaly, fa tsy anisan’ireo ekipa handray anjara amin’ny andiany faharoa amin’ny lalao afrikanina amin’ny torapasika ny Barea de Madagascar beach soccer. Fihaonana hotanterahina any an-tanànan’i Hammamet Tonizia, ny 23 jona ka hatramin’ny 1 jolay ho avy izao.
Raha ny fanazavana, tsy manam-bola ary tsy ampy ny hoenti-manana ho an’ny olona 13 ao anaty delegasion’ny Beach soccer, ka izao tsy ho anisan’ireo hifaninana izao. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona fa efa ny 19 jona izy ireo no nanontany ny teo anivon’ny KOM saingy tsy nahazo valiny mazava ny amin’ny fiomanana ho an’ny Barea beach soccer. Na ny mpanazatra ny ekipam-pirenena aza efa niakatra teto Antananarivo, niandry ny fanapahan-kevitra saingy niveri-maina.
Raha tsiahivina, ao amin’ ny vondrona “A”, miaraka amin’i Senegal sy i Tanzanie ary i Kenya ny Barea de Madagascar, amin’ity lalao afrikanina ity. Fahavoazana goavana ho an’i Madagasikara izany izao tsy fandraisana anjaran’ny Barea izao.
Tsy misy afa-tsy atleta efatra izany sisa miaro ny voninahi-pirenena amin’ity lalao afrikanina amin’ny torapasika ity, dia ny Lutte soloin’Andrianantoandro Jessy, eo amin’ny sokajy -70 kg sy ny Teqball, ahitana an’i Nambinintsoa Andry sy i Fanirisoa Richia ary i Diarra Spencer Erickson.
Nanainga omaly ihany ny ekipan’ny Teqball, raha ny faran’ny herinandro izao ny Lutte. Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity satria hiadian-toerana ho an’ny “Jeux mondiaux de la plage”, hotanterahina ny volana aogositra, any Indonésie.
Tompondaka