Lalaon’ny Francophonie : haterina anio ny lisitry ny Barea U20

Tapitra anio ny fetr’andro nomen’ny komity misahana ny lalaon’ny “Franco­pho­nie”, hatao any RD Congo, ny 28 jolay -6 aogositra ho avy izao. Araka izany, voatery aterina anio ny lisitr’ireo mpilalao 20 mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar U20, hifaninana amin’ny taranja baolina kitra. Miisa 16 ireo zandrikely avy eto an-toerana, raha toa ka 4 ihany ny avy any ivelany.
Araka ny vaovao azo teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) dia tokony hisy ny fampivondronana faharoa ny Barea U20, saingy tsy ma­nam-bola hanaovana izany ny fanjakana. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “A” no misy ny Malagasy miaraka amin’i RD Congo sy i Congo ary i Canada. Marihina fa ireo mpilalao efatra avy any ivelany, notsongain’i Jean Marc Eliasy, Malagasy teknisianina ao amin’ny Fede­rasion’ny baolina kitra frantsay (FFF).

Tsara ny mampahafantatra fa i Aboudou Amada no mpanazatra ny Barea zan­driny.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo mpilalao mila ravinahitra 4

Chabany Joanito (AS Meudon)
Rakotoarisoa Rayan (IS Selongey)
Feron Gianni (US Torcy)
Gueguen Davidson (Stade Laval)

Partager sur: