Tsy mitsahatra mitotongana ny lanjan’ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ ny vola vahiny. Mananontanona ny 5.000 Ar ny 1 euro, ka efa nisanda 4 935 Ar, omaly 21 jona 2023, araka ny antontanisa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), araka ny fifanakalozana farany tamin’ny 3 ora tolakandro, ary 4 878 Ar raha ny salanisan’ny tontolo andro. Misanda 4 489 Ar kosa ny 1 dolara.
Nahatratra 210 Ar ny fijotson’ny Ariary miohatra ny 1 euro tato anatin’ny iray volana, satria nahatratra 4 725 Ar ny 1 euro ny 22 mey 2023. Niakatra ho 4 730 Ar izany 10 andro taty aoriana, ny 2 jona ary izao tafakatra 4.935 Ar izao, omaly.
Raha aravona, nidina 4% ny lanjan’ny Ariary tato anatin’ny iray volana.
Njaka A.