Rahasindrahety Ny Ando Domoina: “Tokony havoaka ny datim-pifidianana fa lasa miroaroa saina ny olompirenena”

Aiza ho aiza ny fanomanana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao? Maneho ny heviny ny sekretera jeneralin’ny Association Soa amin’ny teny filamatra “Pour un avenir meilleur, pour tous!”, Rahasindrahety Ny Ando Domoina: “Andrasana ny famoahan’ny governemanta ny datim-pifidianana na ny fiantsoana mpifidy, fa lasa mieritreritra sy miroaroa saina ny olompirenena.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Inona ny mampiavaka anareo, fa toa maromaro ny fikambanana mitondra anarana Association Soa?

Rahasindrahety Ny Ando Domoina (-): Na­nom­boka ny 24 desambra 2022 no nisehatra hanampy ny mpiara-belona ny mpikambana. Tamin’ny 11 marsa 2023 no nanapahan-kevitra hanangana azy ho ara-dalàna izahay. Anisan’ ny tanjon’ny fikambanana ny ady amin’ny kolikoly, ny fampivoarana ny hoe fanjakana tan-dalàna sy ny de­mokrasia, ny fampivoarana ny soatoavina sy ny talenta malagasy eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana, ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy, ny fiahiana ara-tsosialy ireo tokan-tena marefo, ny fiarovana ny tontolo iainana… Manaitra sy miantso ny fitondram-panjakana hijery izay lafiny sosialim-bahoaka izay amin’izao. Na efa natao laharam-pahamehana aza izany, misy ireo faritra ny tena mbola hita fa sarotra sy lavitra ary tsy misitraka fiahiana sosialy.
Anisan’ny ataonay amin’izao koa ny fanentanana sy fanabeazana ny olompirenena amin’ny sehatry ny fi­fi­diana­na. Resy lahatra ny fikambanana fa tena ilaina ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena. Izay no nahatonga anay misahana fanabeazana olompirenena, indrindra ny vehivavy sy ny tanora eo amin’ny sehatry ny fifidianana. Manomboka amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izany, ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy, ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana sy ny voka-pifidianana… Ny mpikambana no mizaka ny fandaniana rehetra amin’izay hetsika atao. Na izany aza, misy ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana hafa hanatrarana ny tanjona.
* Ny fahitanareo ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy àry?
– Amin’ny maha mpanara-maso fifidianana anay, hita fa mihatsara izay fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay. Samy mandray ny andraikitra tandrify azy, ohatra, ny Ceni sy ny rantsamangaikany, ny olompirenena amin’ny fisoratana anarana sy fanamarinana izany eny anivon’ny fokontany, ny mpisehatra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana… Ny olana na lesoka kely amin’izao, ny fiandrasan’ny ankamaroan’ny olompirenena: rahoviana marina ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Re­pobli­ka? Andrasana izany ny famoahan’ny governemanta ny datim-pifidianana na ny fi­antsoana mpifidy. Lasa mieritreritra sy miroaroa saina ny olompirenena amin’izao hoe: hisy marina sa tsia izay fifidianana filohan’ny Repoblika izay?

* Ahoana ny eo amin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana?
Mba tsy hisian’ny fa­nam­penam-bava fa halalaka ny fanehoan-kevitra, izay zo fo­totra iraisan’ny rehetra. Ma­nentana ny olompirenena samy hanara-maso ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany misy azy. Ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana. Mba hi­rindra tsara ny fiatrehana ny fifidianana ary tena hisitraka ny zony ny tsirairay amin’izay fifidianana izay. Mila mijoro ny vehivavy sy ny tanora, amin’ny fanehoan-kevitra mety hampandroso zavatra iray eo amin’ny sehatra misy ny tena. Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: