Nampahafantarina teny Ambodivona, omaly, ny fijoroan’ny Aika, ivondronan’ny fikambanana tanora 50 misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina voajanahary an-tanety sy anaty rano ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. «Samy efa manana drafitrasa mampiavaka azy avy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fa havondrona ny hery ho mafonja kokoa ny vokatra azo», hoy ny tomponandraikitra momba ny toetr’andro ao amin’ny Aika, Andriamiarosoa Ny Aro.
Asa voalohany aorian’ny fampahafantarana ny Aika ny famolavolana ny boky mirakitra ny zavatra efa vitan’ny fikambanana tsirairay teo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Andraikitra faharoa ny fiantsoana ny tanora avy any amin’ny faritra handray anjara amin’ny «conférence des parties» COP 28, any Dubaï, ny 30 novambra ka hatramin’ny 12 desambra ho avy izao. Tanjona ny hahafantaran’ny tanora ny zava-misy rehefa misy fivoriana iraisam-pirenena lehibe toy ny COP 28, hijerena manokana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny mizaka ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro rahateo i Madagasikara. Hitady mpanohana amin’ny vola ny Aika ahafahan’ny tanora 10 manatrika ny COP 28 ka hampahafantatra an’i Madagasikara mandritra ny fivoriana samihafa.
Ankoatra izay, hampiofana ny samy mpikambana ny Aika, hifehezan’izy ireo ny fifampiraharahana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana izay mamolavola ny politika havadika ho drafitrasa eny ifotony. Tanjona anatin’ny fohy ezaka ny fanadihadiana ireo karazan-kazo mety amin’ ny faritra Atsimo sy Atsinanana, handrakofana ny tanety sady hitondra loharanom-bola ho an’ny mponina ao aminy. Manohana ny hetsiky ny Aika ny Unicef.
Vonjy