«Tropy Jeannette, mampitia hatrany ny teatra malagasy». Teny fanevan’ity tropy teatraly zokiny indrindra sy mihetsika indrindra ity io. Ho porofon’izany, hanolotra seho teatraly manokana ho an’ireo mpianatra izy ireo, ny 8 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely. Ilay piesy «H.M», nosoratan-dRakoto de Monplaisir, izay vao avy nolalaovina teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo ihany no haverina amin’izany.
Natokana ho an’ireo mpianatra izay manana ny karatra maha mpianatra mihitsy ny seho. Ny antony dia noho izay fampitana sy fampitiavana ny teatra izay hatrany. Nampanantena kosa anefa ny Tropy Jeannette fa hitohy ary hatetika ny hetsika hataon’izy ireo, noho ny fanohanana avy amin’ireo mpankafy sy ireo orinasa tsy miankina ary ny rafitra isan-tsokajiny. Mbola hisy ny seho ho an’ny daholobe sy ny eny anivon’ny sekoly, raha ny fampahafantarana hatrany.
Zo ny Aina