Nametraka fandaminana manokana ny tanànan’Antananarivo ho an’ny fifamoivoizana hampirindra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Maromaro ny lalana ho tapaka mandritra izany.
Nofoanana anaty fotoana voafetra ireo toeram-piantsonana maromaro amin’ny alatsinainy 26 jona izao manomboka amin’ny 6 ora maraina mandra-pahatapitry ny lanonana eny Mahamasina.
Foana ny fiantsonana eo amin’ny lalana Rajoelina, miainga eo amin’ny Koot’s Food hatrany amin’ny farmasia Mahamasina. Lalana Mahatman-Ghandi, miainga eo amin’ny Bazar du Quartier hatrany amin’ny Ekar St Joseph. Lalana Andriba, miainga eo amin’ny Banana Split hatrany amin’ny Gerb’Or. Lalana Ramanankirahina, Squar Point-Carré. Lalana Raharijaona manoloana ny Cercle Franco-Malgache. Lalana Dr Razafindramanta Dramazo, manoloana ny Centre d’acceuil Ambohidahy Amparibe. Lalana Dr Razafindratandra manoloana ny kolejy Masina Misely.
Mikatona, toraka izany, koa ny toeram-piantsonana eo Antanimbarinandriana, Palais des sports ary Amparibe ampitan’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Voakasik’izany koa ireo fiara rehetra miantsona ao amin’ny EPP Antanimbarinandriana sy CEG Square Point-Carré.
Voarara ihany koa, araka izany, ny fivezivezen’ny fiara rehetra amin’ireo toerana ireo. Toraka izany ny eny amin’ny faritry ny Rova Manjakamiadana, ny lalana Ramboatiana eo anelanelan’Ankaditapaka sy Andafiavaratra (Tranovato) sy ny lalana Venance Manifatra (zaridaina, Cathedral Andohalo, Marivolanitra).
Toy izao ny lalan’ireo taxi-be
Noho izany, mihodina eo Tsimbazaza, biraon’ny kaominina ny zotra 184 Kofim, 017 Cotral, 153 CTE, 127 Minex, 128 Miray ary manohy ny lalan-jotra miverina.
Ny zotra 015, 127 dia mandray ny lalana Ankaditoho, Boulevard Ratsimandrava, Ankadimbahoaka ary mandray ny lalana eny amin’ny tribonaly Anosy. Mandray ny araben’Antsahamanitra ary manohy ny lalan-jotra mahazatra.
Rehefa miverina kosa mandray avy hatrany an’Ankadimbahoaka sy ny lalana Ankaditoho.
Ho an’ny zotra 119 sy 128 avy any Ambohijatovo dia mihodina eo Andohan’Analakely ary mitodika miverina any Ambohijatovo. Ny zotra 138 dia mandray ny eny amin’ny Petite Vitesse manohy mivoaka an’Ampefiloha…
Ny zotra 143 dia mihodina eo amin’ny rond point Senat ka mamonjy ny fiantsonana eo Ampefiloha HJRA… Ny zotra 190 La Haute sy ny 134 Rova dia mifarana eo amin’ny Etat-Major Andohalo.
Tatiana A