Nodimandry omaly, tatsy amin’ny Nosy Maorisy, teo amin’ny faha-67 taonany ny depiote Rémi dit Jao Jean. Efa nolazoin’ny aretina an-taonany maro ny tenany ary izao nalefa notsaboina tany ivelany izao. Anisan’ireo “Sojabe” amin’ireo depiote i Jaon Jean, depiote vaofidy tao Antsohihy, faritra Sofia, satria efa fe-potoam-piasana fahadimy izao, tao anatin’ny 20 taona teo ho eo. Mbola nikasa ny hofidina ho depiote ny tenany amin’ny taona ho avy.
Efa mpikambana tao amin’ny antoko RPSD izy ary efa nirotsaka hofidina amin’ny vovonana VPM-MMM sy teo anivon’ny IRD farany teo, tamin’ny alalan’ny MMM. Nialoha izany, efa mpikambana teo anivon’ny CST koa, fony fitondrana Tetezamita. Anisan’ny nahalalana azy ny nitakiany ny hanalalahana ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy. Eo koa ny tokony hanomezana fisotroan-dronono ny solombavambahoaka. Anisan’ireo niady fo mafy ny vola ho an’ny eny anivon’ny distrika, amin’ny alalan’ny CLD, koa i Jao Jean.
Naneho fiaraha-miory manoloana ny fahalasanany ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Notsiahiviny fa namana niara-nanorina sy niara-dia hatrany tamin’ny tolona rehetra natao sy ny fampivoarana ny antoko izy. “Tsy ho hadino ny adidy sy ny zava-tsoa rehetra vitany tamin’ny taninjanaka sy ny mpiara-belona ary ny antoko“, hoy izy.
Synèse R.