“Hoezahina hivoaka mialoha ny fetin’ny fahaleovantena ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy”, hoy ny tale jeneralin’ny toeram-pampianarana eto Madagasikara, Ranosy Eliane, omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha. Henjana ny asa amin’ny fampidirana ny naotin’ny mpiadina 515 081 amin’ny ordinatera izay nanomboka omaly, teny anivon’ny Cisco 114 manerana ny Nosy. Aorian’ny fampidirana ny naoty, mbola misy fanaraha-maso hisorohana ny fahadisoana. Ao amin’ny LMA no hanatanterahana ny asa ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Ny fitaovana mahazatra efa nampiasaina hatramin’izay no kirakiraina amin’ny fanadinana CEPE hamoahana ny lisitr’ireo afaka.
Eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, ny faran’ny herinandro, nanaovana ny fanadinana no mivoaka eny amin’ny foibem-panadinana ny anaran’ireo afaka nahazo ny mari-pahaizana CEPE sy ireo tafita amin’ny fifaninanana hidirana 6ème. Miankina amin’ny isan’ny mpiadina ihany koa no maha haingana ny fivoahan’ny valim-panadinana. Momba ny karaman’ny mpiasa rehetra, nanomana vola ny fanjakana hanefana azy ireny ary efa naparitaka eny amin’ny Cisco sy ny Dren izany.
Hifarana anio koa ny taom-pianarana 2022-2023 ary efa niatrika fanadinana famaranana ny mpianatra tamin’ity herinandro ity. Hiroso amin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra ankoatra ireo mbola hanao fanadinana BEPC sy bakalorea.
Vonjy A.