Fanamboarana pasipaoro: raisin’ny fanjakana ny hetra

Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany amin’ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro tsotra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo.

Tsiahivina fa niato nandritra ny iray volana sy tapany ny fanamboarana pasipaora malagasy. Nivaha ny olana taorian’ny nahatongavan’ireo fitaovana vaovao hanaovana izany. Ankehitriny, mivoatra hatrany ny fitaovana hanamboarana pasipaoro noho izao fitaovana ho avy izao. Atao izany hialana amin’ny fahasahiranan’ny Malagasy. Indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. Ankoatra izay, nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny hampiakaran’i Madagasikara ny renivolan’ny Banky afrikanina. Voakasik’izany ny fanafarana sy ny fanondranana entana any ivelany.

Henintsoa H.

Partager sur: