“Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany no tompon’ny teny farany amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, raha nanontanian’ny mpanao gazety teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fahazoan’ny filohan’ny Repoblika mirotsa-kofidina na tsia, noho ny fizakany zom-pirenena vahiny.
Na izany aza, nambarany fa tsy manao fakan-kevitra amin’ny tena ihany ny HCC ka haneho ny heviny avy hatrany. “Mba te hiteny toy ny olon-drehetra izahay, fa amin’ny maha HCC anay: voafatotry ny lalàna izahay”, hoy izy. Miteny ny lalàna fa afa-mamaly ry zareo. Satria manan-jo hanontany an-dry zareo izay voafaritra ny lalàna mahazo manao izany.
Tsy ny fanehoan-kevitra havia sy havanana ho an’izay manome ny dikan’ny lalàna aminy no inona. Tsy mety loatra raha ny filohan’ny HCC no haneho ny heviny avy hatrany sahady amin’ny mpanao gazety, ka hanaparitaka izany amin’ny vahoaka malagasy sy manerana an’izao tontolo izao: inona ny hevitry ny HCC? “Satria izany fanontaniana izany dia mbola hapetraka amin’ny fomba ofisialy amin’ny antontan-taratasin’izay manan-jo amin’izany”, hoy ihany izy.
R. Nd.