Hiavaka noho ny mahazatra hatramin’izay ity antsam-paribolana ity. Hotanterahina, rahampitso 24 jona, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny « Vahim-bazo ». Hetsika iray hitambarana fankalazana telo sosona : « Iray volana hanandratana ny teny malagasy » sy ny « Iray volan’ny ankizy » ary ny « Fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ». Tsy hiala lavitra ireo ny tononkalo hantsaina eny an-tsehatra. Samy hampita hafatra sy haneho ny zava-misy any anivon’ny ankohonana, fiarahamonina, firenena, izy ireny. Sehatra telo anisan’ny manana ako lehibe amin’ny famolavolana ny maha olona iray manontolo ireo, hany ka omen’ny poeta sy ny mpanoratra lanja tokoa.
« Tsy misy ny vidim-pidirana. Amboary ny fandaharam-potoana fa ny tsara indrindra no homanina ho anareo », hoy i Liantsoa, iray amin’ny « mpiraifaribolana », hiantsa eny an-toerana.
HaRy Razafindrakoto