Revy Mahaleo, manodidina afon-dasy… Misy sary avy hatrany ao an-tsain’ny mpankafy, indrindra ireo efa nahazoazo taona ka naharaka ny tarika tany amin’ny taona 1982, izany hoe, teo amin’ny faha-10 taonany. Nisy ny horonantsary nirakitra izany, ary fotoana mamy na ho an’ny tarika na ho an’ny mpankafy io, hatramin’izao.
Nitsiry ny hevitra: maninona moa raha haverina amin’izao faha-50 taonan’ny tarika izao? Marina fa i Dama sy i Bekoto sisa, saingy ny hiran-dry zalahy kosa mitoetra hatrany. Noho ny firoboroboan’ny teknolojia, tsy voatery hiandry horonantsary amidy anaty kasety na kapila intsony, fa afaka manaraka mivantana amin’ny alalan’ny “streaming” ny rehetra.
Tapaka ary fa hamerina ny “Revy Mahaleo” manodidina afon-dasy ry zalahy, ka handeha ao amin’ny www.sehatra.com izany, manomboka ny 24 jona izao. “Ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy Mahaleo maneran-tany, sy ho fanomezana noho ny fetin’ny Fahaleovantena no nanaovana azy amin’io. Hijanona tanteraka ao, ka azo tsidihina foana io fiarahana io”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Hiavaka amin’ny fampisehoana mahazatra izy ity, amin’ny maha afon-dasy azy. Ny tapany voalohany, hanao ny hiran’ny Mahaleo noforonina sy nohirain-dry Dadah, Fafah, Raoul, Charles ary Nono i Dama sy i Bekoto. Hanehoan’izy ireo fa mbola mitohy ilay Revy Mahaleo ny antony. Ny tapany faharoa kosa, hanotrona an-dry zalahy ny taranaka, izay efa niara-dalana fotoana elaela izay, niara-nankalaza ny faha-50 taona. Maharitra adiny iray sy sasany ny fiarahana, izay azon’ny mpanjifa iverimberenana jerena.
Zo ny Aina