Harena voajanahary: sokatra 59 tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina

Sarona teny Ivato ireo sokatra nafenina tao anaty sakaosy saika haondrana antsokosoko any ivelany. Velon’aina ireto harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ireto ary napetraka eny anivon’ny Turtle survival alliance Madagasikara.

Tratran’ny  tomponandraikitra ao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talatra teo, ireo sokatra 59 saika haondrana antsokosoko. Mbola velon’aina avokoa ireo biby ireo tamin’ny fotoana nahatrarana azy. “Natao anaty sakaosy ireo sokatra ary fantatra fa avy any amin’ny faritra Atsimo andrefan’ny Nosy ny fiaviany”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Taorian’izay,napetraka eny anivon’ny Turtle survival alliance (TSA) Madagasikara ireto biby mampiavaka an’i Madagasikara ireto. Mazana aondrana any Azia atsimo atsinana ny sokatra malagasy. Misokatra ny famotorana ny raharaha.

Porofo izao fa mbola tsy foana ny fanondranana sy fanaovana trafika ny harena voajanahary eto amintsika. Maro ireo efa voasambotra sy misazy, misy hatrany anefa ireo manohy ity asa ratsy ity.

Tafaverina

Maro ireo sehatra miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Antony nahatrarana ity tranga teny Ivato ity. Ankilan’izay miara-miasa amin’ny firenana hafa ihany koa i Madagasikara ka nahatafaverina sokatra avy any ivelany. Misy ny fifanarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka toa ny « convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d’extinction » (CITES) nahafahana nanao izany. Mahavoasazy ihany koa ny fanaovana trafika ny sokatra, araka ny lalàna navoakan’ny CITES. Ankoatra izay, mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo mpisehatra samihafa hisorohana ny fanondranana ny harena voajanahary. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra hanakana ity teti-dratsy ity. Ampirisihina ny malagasy tsy ankanavaka mba hitory raha mahita tranga toy izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: