Kenpo/MMA-Mada 2023: niakatra ny lentan’ny fifaninanana

Niakatra ny lentan’ny fifaninanana ho an’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kenpo/MMA, taona 2023. Nitombo ihany koa ny isan’ny mpandray anjara.

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny PK-0 Cheminots Soarano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kenpo/MMA. Atleta 144 avy amin’ny ligim-paritra 5 (Atsinanana, Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Itasy) no tonga nandray anjara. Nohamafisin’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Kenpo/MMA, Rakotonindriana Parfait fa nitombo ny mpandray anjara tamin’ity andiany faha-6 ity ary tonga navitrika ny avy any amin’ny faritra. « Raha tokony ho 60 ny mpandray anjara ho avy dia niakatra avo roa heny mahery izany, niakatra niaraka tamin’izay ihany koa ny haavo teknika, indrindra ireo tanora vao misandratra », hoy ny fanazavan’ity filohan’ny federasion’ny Kenpo/MMA ity. Ny sokajy MMA Gamma, MMA Striking, Full Kenpo ary ny kenpo kids no nifaninanana tamin’izany.

Ho avy eto i Maorisy sy La Réunion

Ankoatra ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Gamma 2023”, izay mbola andrasana ny daty ofisialy, hisy fifaninanana eto anivon’ny ranomasimbe Indianina, ny volana septambra izao. I Madagasikara no hampiantrano ity fifaninanana ity ary ho avy eto an-toerana i Maorisy sy i La Réunion. Miantso ireo malala-tanana sy mpanohana ny filoha, Rakotonindriana Parfait, mba hanampy azy ireo amin’ireo fifaninanana goavana miandry ny taranja Kenpo/MMA, izay tena efa mivoatra tokoa.

Mi.Raz

Partager sur: