Kitra any ivelany

Resin’i Sénégal 4 no ho 2 i Brésil

Taorian’ny nandresen’ny Lion indomptable Cameroun ny Seleçao Brésil, nandritra ny “Mondial Qatar 2022”, dia tsy nandresy ekipa afrikanina mihitsy ny Seleçao. Lavon’ny Lion de Teranga, Sénégal tamin’ny isa 4 no ho 2 izy ireo, ny talata lasa teo, tao amin’ny kianjan’i José Alvalade. Araka izany, miisa telo ireo ekipam-pirenena afrikanina nandresy an’i Brésil: i Cameroun, i Maoc ary i Sénégal.

Hifindra Real Madrid i Mbappé    

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, hifindra lasy any Espaina, Real Madrid FC, i Kylian Mbappé, Frantsay mpilalao ao amin’ny PSG Frantsa, ny volana jolay ho avy izao. Hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava na efa misy ny fifanarahana eo amin’ny PSG sy ny Real Madrid. 200 tapitrisa Euros ny vidin’i Mbappé, raha ny vaovao farany navoakan’ity klioba parizianina ity, ary efa nanaiky ny hividy azy ny Real Madrid.

Nangonin’i Fitia (Mpianatra asa) 

Partager sur: