Namory maika ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana eo anivon’ny OMC/Nat, ahitana ny avy amin’ny Tafika sy ny zandary ary ny polisy sy ny eo anivon’ny prefektiora ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo. Hentitra ny toromarika tamin’izany.
Anisan’ny nodinihina sy nametrahana paikady ny lafiny filaminana sy ny fandriampahalemana, manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny hiatrehana ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy koa ny fepetra noraisina. Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny OMC/Nat ny momba ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra. Teo koa ny any amin’ny tontolo ambanivohitra ka anisan’ny hohamafisina amin’izany ny ady amin’ny dahalo sy ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko.
Tsy mahasoa ny korontana
Nitarika ny fivoriana ny Praiminisitra Ntsay Christian ary nanao antso avo ho amin’ny fiombonana sy ny soatoavina maha Malagasy. “Tsy mahasoa antsika vahoaka ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra eto amin’ny firenena, indrindra amin’izao ankatoky ny hiatrehana ny fifidianana izao”, hoy izy. Nanteriny fa tsy handefitra amin’ireo mety ho tompon’andraikitra amin’izany ny governemanta.
Tsiahivina fa efa fanao isan-taona ny fandraisan’ny fanjakana fepetra tahaka izao, indrindra rehefa hiatrika fetim-pirenena. Miha mahery vaika rahateo ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Na izany aza, anisan’ny mbola hatrehina amin’ity taona ity, afaka 5 volana ny fifidianana ka nohamafisina bebe kokoa ny paikady rehetra, manomboka izao.
Synèse R.