MCB sy ny Sunref: famatsiam-bola ny tetikasa maitso

Natao, omaly, ny atrikasa mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Sunref, fitaovana iray hanafainganana ny tetikasanao sy ahitana fahombiazana ». Nandray anjara tao ny avy amin’ny banky MCB sy ny teknisiana ao amin’ny Sunref (Famatsiam-bola ny fampiasana ny angovo maharitra sy ny harena voajanahary). Notombanana ny fandrosoan’ny asa manerana ny Nosy, izay tena misy fivoarana tokoa.

Maro ny sehatra sahanin’ny Sunref miara-miombon’antoka amin’ny banky MCB. Toy ny angovo azo havaozina, ny fanodinana ny akora efa niasa, ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, ny fitantanana ny fako sy ny rano efa niasa. Navoitra nandritra ny atrikasa ny finiavana hitsinjo ny tontolo iainana ataon’ireo orinasa nahazo tohana avy amin’ny Sunref.

Orinasa misehatra samihafa

Anisan’ny nahomby tamin’ity tetikasa ity ny orinasa Kaloes, mamokatra sady manondrana any ivelany ny taozavatra malagasy vita amin’ny zava-maniry. Nametraka lamina manokana ity orinasa ity hifehy ny rano avy nampiasainy. Mampiasa angovo azo havaozina, hampihenana ny fandaniana manaparitaka entona karbona. Misy koa ny laboratoara amin’ny fanamboarana solonify, hampiasana angovo mandeha amin’ny masoandro sy ny fitantanana ny rano avy nampiasaina.

Orinasa faharoa nahomby vokatry ny tohana nomen’ny Sunref koa ny Moringa Wave. Orinasa mamokatra ilomenaka, izay tsy mitsaha-mitombo ny mpanjifa ka tsy maintsy ho nanampy fitaovana famokarana. Eo koa ny Futurmap, misehatra amin’ny fikirakirana ny informatika sy ny teknolojia 3D, ka mampiasa ny angovo azo havaozina.

Tsy mitsahatra mampirisika sy manentana ny orinasa hafa ny tetikasa Sunref, hifantoka hatrany ny fitsinjovana ny tontolo iainana amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariany avy.

Njaka A.

Partager sur: