Mamita iraka any ivelany ny filohan’ny Repoblika, ankehitriny. Midika izany fa tsy manohintohina ny toerana sy ny andraikitra sahaniny ny resabe miseholany etsy sy eroa. Mazava be, tsy hisy rahateo ny hahakitikitika azy hatramin’izao, satria mbola ao an-damosiny ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra. Mampiseho firaisan-kina sy firaisan-tsaina rahateo ny samy mpitondra fanjakana. Manao angaredona mamono afo sy manohitra ny mpanohitra. Marin-toerana ny filoha Rajoelina Andry saingy andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Anatin’ny fanomanana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena rahateo ny rehetra, miezaka tsy mivaky loha sy tsy taitaitra ny vahoaka tsimandadiharona. Miezaka manadino ny adim-piainana fa mampifalifaly ny ankohonan-keliny. Tsy mahagaga raha manomboka mihazakazaka ny ray aman-dreny amin’ny fividianana arendrina. Tsy mampaninona azy ireny ny mividy arendrina taratasy amin’ny vidiny 5 000 ka hatramin’ny 15 000 Ar. Minia mikimpy manoloana ny tsy fananana, raha izay no mahafalifaly ny zanany. Marina fa mahazo vary iray kilao, mbola afaka mividy tokon’anana, na menaka kely iray famarana ny vidin’arendrina fa tsy mahasolo ny fitiavana izany. Tsy mahasolo ny fahasambarana ao an-tokantrano sy ny fiarahan’ny rehetra mifaly.
Manan-kasina sy zava-dehibe amin’ny Malagasy ny fianakaviana. Mahavita miaritra sy mamono tena ary miaritra dona maharary ny raim-pianakaviana. Mila fanohanana ihany koa anefa izy ireny, amin’izao fotoana izao. Indrindra avy amin’ny fitondram-panjakana. Zava-dehibe andraindran’ny Malagasy, raha miresaka fahaleovantena ny fizakana ara-toekarena sy ara-bola ao an-tokantrano Tsy misy ny fahagagana anaty fotoana fohy fa heverina, tokony hisy ny vahaolana fohy ezaka, mipaka avy hatrany any anaty vilany. Betsaka ny tetikasa an-tselika, ahazoan’ny fanjakana malagasy fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena samihafa. Tokony hijery akaiky izay ny manampahefana mitazona izay andraikitra izay.
Mbola manana volana vitsivitsy ny fitondrana mijoro, hialana nenina na hanomanana izay mety ho fitohizan’ny raharaham-panjakana rahatrizay. Iaraha-mahalala rahateo fa mbola mikajy sy matoky tena tanteraka ny filoha am-perinasa. Tsy maintsy homanina izany, na efa maro aza ny ezaka sy asa vita. Anisan’ny vanim-potoana tena stratejika goavana izao, hoentina manomana ny fandresena amin’ny fifidianana. Asa inona ny voandalana hoentin’ny delegasiona malagasy avy any Frantsa. Mety hisy fiantraikany amin’ny fampandrosoana firenena ve? Resa-bola rahateo ny anton-dia. Miandry Ramalagasy, miandry hatrany !
r.r