QMM sy ny fanjakana: nofoanana ny trosan’ny fanjakana 77,2 tapitrisa dolara

Tapitra ny febroary 2023 teo ny fe-potoana 25 taona, nifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny QMM. Naverina nodinihina ny fifanarahana ka notsinjovina ny hahazoan’ny firenena malagasy tombontsoa.

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herinandrainy, omaly, mikasika ny fifanarahana vaovao nataon’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Nisy vola naloan’ny QMM mialoha ho an’ny fanjakana mitentina 77,2 tapitrisa dolara, nampiakarana ny renivola, ny taona 2012 sy 2015. Tinapaka teo amin’ny roa tonta, ankehitriny, fa hofoanana io trosa io. Nifanarahana koa fa tsy mandray anjara amin’ny fampiakarana ny renivola intsony ny fanjakana amin’ny manaraka. Tsiahivina fa fanao matetika izany rehefa maty antoka ny orinasa. Mijanona ho 15% ny anjara petra-bolan’ny fanjakana ahazoany tombony ary 20 % ho an’ny sosialy.

Handoa 8 tapitrisa dolara amin’ny RN 13

Handoa 12 tapitrisa dolara amin’ny fanjakana ny QMM amin’ity taona 2023 ity, ao anatin’ny zara tombombarotra mialoha. Hanome 8 tapitrisa dolara koa izy ho fandraisany anjara amin’ny lalam-pirenena RN 13 (mirefy 109 km).

Raha ny fifanarahana taloha, tsy mizara tombombarotra amin’ny fanjakana malagasy ny QMM raha tsy tafaverina ny fampiasam-bolany 1 miliara dolara. Miova izany izao, ka lasa mandoa ny 40%-n’ny zara tombombarotra ny QMM hatramin’ny taona 2030, na tsy mbola miverina aza ny fampiasam-bolany. Miakatra 60% izany taha izany manomboka ny taona 2031 hatramin’ny 2048. Marihina fa mbola misy 704 tapitrisa dolara tokony haloan’ny QMM amin’ny orinasa reniny, ny Rio Tinto nanome io fampiasam-bola 1 miliara dolara io.

Sosialy sy tontolo iainana

Napetraka koa ny fifanarahana mikasika ny sosialy sy ny tontolo iainana. Nakarina ho 4 tapitria dolara isan-taona ny vola hampiasain’ny QMM amin’ny lafiny sosialy (RSE), ary hampiakarina 2% isan-taona. Hatokana hambolen-kazo ny 500 000 dolara amin’io, ho an’ny kaominina voakasiky ny tetikasa ny 50% ambiny ary ho an’ny faritra ny 50% ambiny.

Hanokana 13 tapitrisa dolara ny QMM hitantanana ny rano avy nampiasainy, sady manao tatitra any amin’ny ANDEA.

Mitentina 5 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hahazoana ny tombam-bola amin’ny karbona (crédit carbone) avy amin’ny faritra arovana (AP) Tsitongambarika. Misy koa vina hividianana « crédit carbone », mitentina 10 tapitrisa dolara ao anatin’ny dimy taona manaraka.

Fitrandrahana vaovao

Mandoa 3,3 tapitrisa dolara amin’ny fanjakana ny QMM raha vao hitrandraka ny toerana vaovao any Petriky ary 15 tapitrisa dolara ho an’ny any Sainte-Luce. Tazonina ny fepetra ara-ketra ho an’ity orinasa ity, afa-tsy ny « taxe professionnelle » sy ny IFPB, izay samy efa nofoanana, izay haharitra 25 taona. Nakarina ho 2,5% ny tamberim-bidy raha 2% teo aloha.

Mila manangana foibe famokarana angovo azo havaozina mamokatra 20 MW any Taolagnaro ny QMM, mitentina 35 tapitrisa dolara.  Takina aminy ny fampitaovana faharoa ny famokarana herinaratra, mitentina 50 tapitrisa dolara, rehefa hitrandraka ny any Petriky. Nofoanana ny trosa 3 tapitrisa dolara tokony ho naloan’ny Jirama tamin’ny QMM. Hametraka birao tokana ny fanjakana hanamora izao fampiasam-bola faharoan’ny QMM izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: