Ramamimampionona: “Zava-dehibe ny fankalazana ny 26 jona”

 

Zava-dehibe izao fotoana ankalazantsika ny faha-63 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenentsika izao. Iombonana izany, vokatr’ireo tolona sy ny ezaka ary ny finiavan’ireo raiamandrenintsika ny hananantsika ny hoe Fahaleovantena. Hahazoantsika mandray an-tanana ny hoavin’ny firenentsika.” Izay ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Ilaina ny fiombonam-po sy saina ary ny firaisankinan’ny Malagasy izany.

Raha tena Malagasy sy manam-panahy : mitandro ny filaminana sy fitoniana ary ny firaisankina, miezaka milamina sy mampiditra ny olona ho amin’ny filaminana. Tsy tokony hanary fanantenana isika fa mitandro mandrakariva izay fiombonana izay ary miezaka hatrany amin’ny fanarenam-pirenena. Io ny sainam-pirenena: ny fotsy, fahadiovan-tsaina; ny mena, andrehetana ny fitiavan-tanindrazana; ny maitso, fanantenana mandrakariva.

Raha izao no hoe noho ny antony politika dia hizarazara an-toerana hoe miaraka amin’ny firenena izao na izatsy, vao mainka misaraka… Very ny fiandrianam-pirenena; avy eo, ry zareo no miditra eto. Manary ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantenam-pirenena izany. Ny avy any ivelany indray no tena hibaiko ny hoavy politika sy ny hoavin’ny firenena eo amin’ny toekarena na sosialy.

R. Nd.

 

Partager sur: