Hanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy Rija Ramanantoanina sy Lalie, eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny zoma 30 jona 2023, ny Grace Event. Hovelomin’i Rija Ramanatoanina sy i Lalie indray ny kanto taloha sy ny nahafantarana azy ireo fahiny. “Seho goavana no hampanantenainay ary mozika miavaka sy manana ny maha izy azy no ho hita ao”, hoy ny mpikarakara.
Hiray sehatra, hanome fahafaham-po ny mpankafy azy ireo hatramin’izay indray i Rija Ramanantoanina sy i Lalie. Haharitra adiny enina eo ny fampisehoana sy fiaraha-mifaly. Anisan’ny tena hampiavaka ity seho ity ny fihiran’izy ireo ny fampiaraham-peony, amin’ilay hira “Raha tsy ho ahy”. Ankoatra izay, maro ireo fampiaraha-peo iarahan’i Rija Ramanantoanina sy i Lalie manao ao anatin’io fotoana io. Samy hikalo ny hira nahafantarana azy hatramin’izay ihany koa anefa izy ireo, etsy ankilany. “Fotoana mamy iarahana indray amin’ny mpankafy io, tanatin’izay fotoana maro tsy nihaonana izay”, hoy i Lalie.
Raha tsiahivina, io no seho voalohany karakarain’ny Grace Event. Tsy handiso fanantenana ny mpankafy anefa izy ireo ao anatin’izany fa vonona hanolotra seho mahafinaritra sy matihanina.
Lin (Mpianatra asa)