Tenisy – « Davis Cup 2023 »: lavon’ i Madagasikara i Lesotho

Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, nandritra ny fifaninanana eran-tany “Davis Cup 2023”, “Groupe V”, izay tanterahina any Kinshasa RD Congo. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, ny alarobia lasa teo.

Teo amin’ny lalao “Simple 2”, resin-dRakotomalala Romeo, tamin’ny seta, 2 no ho 1 (3/6, 6/2, 6/3), i Makhakhe Neo. Ho an’ny “Simple 1”, lavon’Andriamasilalao Lucas, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0, 6/3) i Mpho Leshoele. Raha ny “double décisif”, nampiondrehan-dry Raharivony Nicolas sy Rasendra Fenosoa, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/0), i Khojane Elliott Khethisa sy Bishop Mosebi.

Mpifanandrina miandry azy ireo manaraka i Ouganda. Marihina fa ao amin’ny vondrona B no misy ny Malagasy amin’ity fifanintsanana ity. Ny ekipa voafantin’i Lesotho sy i Ouganda no miaraka amintsika. Tsiahivina fa miakatra ao amin’ny “Groupe IV”, ireo ekipa roa manao famaranana amin’ity lalao iraisam-pirenena ity.

Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny fanomanana atao amin’ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra, ny “Davis Cup”.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: