Tontosa omaly tetsy Ampefiloha ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arak’asa ary ny Aide et action. Antony, ny ahafahana manatanteraka ny tetikasa “Sandratra”. Hiompana amin’ny fampiofanana ireo vehivavy mananon-tena, voailika eny anivon’ny fiarahamonina, tsy an’asa ary tsy nianatra ny tetikasa. Tanjona ny hanampiana azy ireo afaka mivelona sy manana sehatrasa. Hisitraka izany ireo vehivavy marefo sy voailikilika 900 ao anatin’ny boriborintany I, III ary IV. Hampiofanina momba ny fahaiza-mahandro sakafo, zaitra sy fivelomana maro samihafa ireo renim-pianakaviana. Harenina mihitsy ho tonga mahaleo tena ara-pivelomana izy ireo ka tsy ho vesatry ny ankohonana intsony. Nanambara ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fampiofananna arak’asa, Rahantanirina Vavitsara Gabriella fa: “harahi-maso ny fivoaran’ireo vehivavy marefo ireo aorian’ny fiofanana ary vonona ny hanapy hatrany izy ireo”. Mba hijerena raha nahita asa na mahaleo tena izy ireo. “Tetikasa santatra ity ary andrana no atao ao anatin’ny telo taona iarahana amin’ny minisitera mpiahy sy ny kaominina Antananarivo”, hoy ny mpandrindra voalohany eo anivon’ny Aide et action, Raveloarijaona Rado. Hanatsarana ny politikam-panabeazana sy ny fiofanana arak’asa izany avy eo. Tsy hijanona eto Antananarivo fa hitarina manerana ny faritra maro ny tetikasa.
Tatiana A sy Mino