Nifarimbona nanofana tanora 105 amin’ny fandraharahana mifototra amin’ny asa tanana ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny asa ary ny fikambanana skoto Tily eto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny tanànan’Amboalefoka, distrikan’i Miarinarivo. Nifototra tamin’ny sehatra fanodinana ny landy ny fanofanana, izay miara-dalana amin’ny fiarovana ny ala tapia efa mitady ho ringana noho ny tsindry ataon’ny olombelona. “Efa manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikambanan’ny Tily satria efa misy ny Tranombitsika ka tafiditra ao anatiny ny fiarovana ny ala tapia mampiavaka ny faritra Itasy”, hoy ny Commissaire général lefitra anatin’ny fikambanana, Randrianaivonirinarisoa Radomanana. Nofanina izy ireo momba ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny fikajiana ny akora fototra ho lasa vokatra azon’ny mpanao asa tanana kirakiraina. Hanohana ny olona eny ifotony amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny hisafidy sy hanjifa ny vokatry ny asa tanana avy amin’ny faritra Itasy izay manome lanja ny akora voajanahary (rafia sy landy) ny tanora mpiofana. Nandritra ny fihaonana, nampiseho ny talentany amin’ny famoronana ireo tanora ary nisongadina ny kolontsain’ny faritra.
Lafiny omena vahana anatin’ny fitaizana skoto ny fampirisihana ny tanora amin’ny hetsika fanabeazana sy mitondra fivoarana sosialy izay sady mampivelatra ilay olona no manampy ny mpiara-belona koa. Nanotrona ny hetsika teny an-toerana ny minisitry ny Asa tanana, Ratsiraka Sophie.
Vonjy A.