Tolokevitry ny loholona MMM: “Hosarahana amin’Analamanga Antananarivo…”

Nambaran’ny loholona MMM, Rakotondrainibe Michel, tamin’ny fivoriana tetsy Anosikely, omaly, ny sosokevitra sy ny fikasan’izy ireo hanolotra volavolan-dalàna hanasarahana faritra iray ho roa. Anisan’izany ny hizarana ho faritra samihafa an’Alaotra sy i Mangoro. Tahaka izany koa ny any Atsimo sy Andrefana. Tafiditra anatin’izany koa ny eto Analamanga. “Natao hampandroso ny firenena izany fizarana faritra maromaro izany. Azo iadian-kevitra eto izany“, hoy izy. Notsiahiviny fa lehibe ireo faritra ireo sy ny distrika mandrafitra azy. Eo koa ny hamaroan’ny mponina sy ny vokatra samihafa amin’ireny toerana ireny mba tsy havesatra sy tsy ho taraiky amin’ny fampandrosoana, araka ny nambarany.

Notsindriny manokana ny eto Analamanga, ahitana distrika miisa valo. Efa manomboka tsy voafehy intsony ny renivohitra noho ny fitomboan’ny mponina ka ilaina fiheverana ny fitantanana  izany. Tsy maharaka ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, ny hopitaly… “Omena faritra manokana Antananarivo Renivohitra sarahana amin’ny faritra Analamanga“, hoy izy.

Fitsinjaram-pahefana tena izy

Natsidiny fa hapetraka amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa izany volavolan-dalàna izany sy ny handaniana azy. Tanjona napetraka amin’izao fizarana ny faritra izao ny hametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana marina sy tena izy. “Ahafahana mampivoaka araka ny tokony ho izy ny maha izy azy ireo faritra rehetra izany“, hoy ihany izy.

tsiahivina fa nolanian’ireo loholona, omaly, ny volavolan-dalàna amin’ny fametrahana ny faritra faha-24, Ambatosoa, ahitana ny distrikan’i Maroantsetra sy i Mananara Avaratra.

Synèse R.

 

Partager sur: