Tsy mety fay mihitsy! Vao nivoaka ny fonja ny 15 jona 2023 noho ny fivarotana héroïne ireto jiolahy ireto. Niverina nanohy ny asa ratsiny sahady ka naverina any am-ponja indray…
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup), teny Ampandrana Atsinanana, ny 20 jona 2023 teo, ireo roa lahy voarohirohy ho mpanao trafikana héroïne.Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ny fisian’ireto roa lahy mpanao trafikana héroïne ireto, teny Ampandrana. Nanao fanadihadiana teny an-toerana ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’izy ireo. Nametraka ny vela-pandrika hahafahana misambotra azy ireo ny polisy taorian’izay. Vokany, lehilahy iray 22 taona, tratran’ny polisy teo ivelan’ny tranony. Rehefa natao ny fisavana azy dia nahitana héroïne milanja 10 grama teny aminy. Nilaza izy nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny polisy fa sady mifoka izy no mivarotra izany. Alainy 250 000Ar io 10 grama io ka amidiny 3 hetsy Ar indray. Tsy nijanona teo anefa ny fisavana natao fa niditra tao an-trano indray ny polisy. Lehilahy iray hafa indray no nahitana fonosana héroïne 28,5 grama sy fitaovana fifohana zava-mahadomelina. Nilaza izy fa efa nigadra noho ny fivarotana héroïne ihany, ny taona 2014. Vao nivoaka ny fonja ny 15 jona 2023 izy ireo. Nomarihin’ny polisy fa mpivarotra ambongadiny izy roa lahy ireto ary tsy mandefa afa-tsy 10 grama no ambany indrindra. Niaiky ny heloka vitany izy ireo tamin’ny famotorana nataon’ny polisy.
Jean Claude