Maty tsy tra-drano ny iray, olona am-polony naratra teny amin’ny RN2, omaly.
Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo mpandeha tra-doza, teny amin’ny RN2, teo amin’ny PK 57+22, fokontany Ambatolaona atsinanana, distrikan’i Manjakandriana, omaly. Tamin’ny 11 ora sy 50 minitra, nikasa hihazo an’Antananarivo ny fiara mpitatitra entana iray avy any Moramanga. Nifanena tamin’ny fiara tsy mataho-dalana iray avy any Manjakandriana nikasa ho any Ambatolaona ilay Mercedes. Nandeha mafy anefa ilay 4×4 ka tsy nahatana ny familiana tampoka ny mpamily. Nifandona avy hatrany ny lohan’ny fiara roa. Samy tafavoaka ny arabe, nipitika tafavoaka tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dalan ny mpandeha sasany. Vokany, olona iray maty noho ny ratra mafy nahazo azy. Nentina nihazo ny hopitaly ao Manjakandriana ny olona folo hafa izay naratra. Tetsy ankilany, potika tanteraka ilay fiara tsy mataho-dalana. Nizara roa ny vatan’io fiara io. Simba tsy nisy noraisina koa ny lohan’ilay fiara mercedes. Niditra an-tsehatra tamin’ny fanavotana ireo naratra ny zandary miasa ao an-toerana. Misokatra ny fanadihadiana. Marihina fa nitrangana lozam-pifamoivoizana hatrany ity lalam-pirenena faharoa ity tato ho ato. Faharatsian-dalana, tsy fitandreman’ny mpamily izay samy mitera-doza avokoa.
Tsiferana R.