Nivoaka omaly, ny ampahany amin’ny valim-panadinana CEPE 2023, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ao amin’ny tambajotran-t,seraserany. Ho an’ny Cisco Besalampy nahattatra 46,65% ny taha, raha 78,12% ao amin’ny Cisco Ambatolampy. 78,77% ny taha ao Manandriana. Any amin’ny Cisco Andramasina, 86,75% ny taha ary ambany ny taham-pahafahana ho an’ny Cisco Kandreho satria 46,57%.
Arakaraka ny isan’ny mpiadina no manafaingana ny asa famoahana ny valim-panadinana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Hoezahina hivoaka ny faran’ny herinandro avokoa ny anaran’ireo afaka CEPE. Azo jerena ao amin’ny tranokalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny pejy facebook ny valim-panadinana.
Hotanterahina ny 3 hatramin’ny 6 jolay kosa ny fanadinam-panjakana faharoa, BEPC.
Vonjy