Fanahiana kolikoly: naiditra am-ponja ny tale jeneraly vonjimaika, Cnaps

Naiditra am-ponja omaly, ny tale jeneraly vonjimaika mitantana ny Canps, i Tsaboto Joslina. Anisan’ny voalaza ho anton’izany ny kolikoly nataony amin’ny fampidirana mpiasa “Recrutement“. Niakatra  tetsy amin’ny fampanoavana, eo anivon’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha ny alakamisy teo ny tenany. Efa ny zoma tamin’ny 2 ora maraina vao vita izany ka nandraisana ny fanapahan-kevitra hampidirana am-ponja azy vonjimaika eny Antanimora, avy hatrany.

Tsiahivina efa tale jeneraly (DG) vonjimaika indroa miantoana ny tenany. Voatendry amin’izany toerana izany ny tenany taorian’ny tsy naha teo intsony, an-dRabekoto Raoul. Nirotsaka ho kandidà ho DG izy taorian’izany saingy voafidy hitantana ny Cnaps Rakotondrainibe Mamy. Nisahana ny asan’ny tale jeneraly lefitra (DGA) izy avy eo. Tafaverina ho tale jeneraly vonjimaika indray ny avrily 2022, rehefa tsy teo intsony ny DG teo aloha, Rakotondrainibe Mamy, ary izao naiditra am-ponja vonjimaika izao.

Synèse R.

Partager sur: