Faritra Atsimo Andrefana: mamelona fianakaviana 1500 ny fambolena lomotra mena ho an’ny toeram-pambolena 44

Foto-pivelomana mivantana ho an’ny olona an-tapitrisany ny jono any amorontsiraka. Vokatry ny tsindry samihafa ataon’ny olombelona  amin’ny fampiasana fitaovana sy fomba tsy manara-penitra, nihena be ny hazandranomasina ary nisy fiantraikany amin’ny fiveloman’ny isan-tokantrano. Ho fanampiana azy ireo ho tonga mpandraharaha an-dranomasina, nisy tetikasa “Nosy Manga” amin’ny alalan’ny fambolena lomotra sy fiompiana zanga.      

“Manana morontsiraka mirefy 5 600 km sy fari-dranomasina 1 140 000 m2 i Madagasikara. Ny 117 000 km² dia fitohizan’ny tany mipaka any anaty ranomasina. Mahatratra hatrany amin’ny 200 m any ambany ranomasina ny halaliny”, hoy ny fanamarihan’ny tomponandraikitry ny foibem-pirenena misahana ny antontan-kevitra momba ny ranomasina (CNDO) ao Toliara, Aina Le Don. Mamelona ny toekarana eto amintsika ny sehatry ny jono sy ny fiompiana hazandrano ary foto-pivelomana mivantana ho an’ny olona 1,5 tapitrisa amin’ny morontsiraka. Mitondra vola 750 tapitrisa dolara ho an’ny firenena (7% amin’ny harinkarena faobe) ity sehatra ity ary miantoka ny 7% koa amin’ny vokatra fanondrana any ivelany. Zava-dehibe eo amin’ny sakafo ny vokatry ny hazandrano satria manome ny 20% amin’ny fihinanana « proteina » azo avy amin’ny biby ho an’ny mponina.

Amin’ny ankapobeny, fianakaviana sahirana ny mpanjono fa tsy manana fidiram-bola hafa ankoatra ny jono. Vitsy (6% monja) amin’izy ireo no nandia fianarana mihoatra ny ambaratonga voalohany. 11 taona ka hatramin’ny 15 taona dia efa miandriaka ny ankizy manampy ny ray aman-dreny amin’ny fivelomana.

Tao anatin’ny taona maromaro, nihena ny lanjan’ny voka-dranomasina azon’ny mpanjono madinika isan’andro vokatry ny fampiasana fitaovana (harato) sy fomba tsy manaraka ny fenitra. Tombanana ho avy amin’ny jono tsy mazava sy tsy manara-penitra ny antsasa-manilan’ny vokatry ny jono eto amintsika. « Araka ny fanadihadiana, 22% amin’ireo sambo mpanjono no voasoratra eny anivon’ny sampandraharaha voakasika. Tsy manana antontanisa mazava momba ny lanjan’ny hazandranomasina azo sy ny tombana amin’ny mety ho tahiry sisa ny tomponandraikitra malagasy », araka ny fanazavan’ny manampahaizana momba ny jono sady mpitantana ny tetikasa fitantanana ny jono aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasina Indianina, Julien Million. Nahatratra 129 244 t ny lanjan’ny hazandranomasina ny taona 2010, araka ny fanadihadiana navoakan-dRasoarimalala Harimanana. Ny jono manaraka ny fomba nentim-paharazana no nanome vokatra betsaka indrindra 73 913t tamin’ireo.

« Vina lehibe ho an’ny sehatry ny jono ny fijerena ny marimaritra iraisana amin’ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina sy ny fiveloman’ny mpanjono maro », araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono teo aloha, Ranarivelo Lucien Fanomezantsoa.

Tetikasa Nosy Manga

Ho fampihenana ny tsindry ataon’ny olombelona amin’ny vokatra samihafa an-dranomasina sy hiarovana ny harena an-dranomasina, napetraka ny tetikasa « Nosy Manga » iarahan’ny sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Ocean Farmers ary ny Indian Ocean Trepang ahitana fambolena lomotra mena (ahidrano) sy ny fiompiana zanga hitondra fidiram-bola maharitra ho an’ny mponina any amorontsiraka ho an’ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana ary Sava. Fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta nanokanana sora-bola mitentina 6,3 tapitrisa dolara hamolavola toekarena manga, amin’ny alalan’ny fambolena lomotra (miaraka amin’ny Ocean Farmers) sy ny fiompiana zanga (sahanin’ny Indian Ocean Trepang IOT). Natomboka ny taona 2022 ny tetikasa tamin’ny fangatahana fahazoan-dalana hamboly lomotra amin’ny tanàna sivy eo anivon’ny faritra Menabe. Rehefa nomen’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny fahazoan-dalana hanao andrana, mbola hanaovana fanadihadiana mifandraika amin’ny vokatra ara-tontolo iainana sy sosialy ny tetikasa mialoha ny hisitrahany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Mifanindran-dalana amin’izay koa, ilaina ihany koa ny fahazoana ny fankatoavan’ny vaomiera mpandrindra ny fari-dranomasina (PSM).

Efa nisy ny dinidinika momba ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’i Menabe, ny volana avrily lasa teo. Nandray anjara ny minisitera telo voakasika : minisiteran’ny Jono, minisiteran’ny Fanajariana ny tany ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana, niaraka amin’ny solontenam-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana. Nofanin’ny Ocean Farmers mialoha ireo ho lasa teknisianina momba ny fambolena sy fiompiana anaty rano, nanomboka ny fiandohan’ny taona teo ka 53 ireo nosafidiana hanaraka ny fiofanana hamboly lomotra amin’ny mpifaninana 337 nandefa antontan-taratasy. Avy amin’ny faritra maromaro ny fiavian’ireo mpiofana.

Vonjy Andrianjaka

Partager sur: