Fotoam-pialan-tsasatra: miantso ny tanora ny «Mozean’ny saripika »

« Ry tanora zandry sy zanaka. Ho avy ny fotoanan’ny fialan-tsasatra, hakana aina sy hamerenana ny herim-batana sy ny herin-tsaina. Hanovozanana fahalalana ivelan’ny rindrin’ny sekoly. Ho anareo no ijoroan’ny « Mozean’ny saripika » eto Anjohy. Hizaranay fahalalana mikasika ny tantara ». Fanentanana sy antso notanterahin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny « Mozean’ny saripika », ho an’ny ankizy sy ny tanora. Nohamafisin’izy ireo fa : « Ny fahafantarana ny lasa, indrindra ny fitiavana ny vakoka dia afaka mampiala voly ihany koa.

Aza misalasala mitsidika ny Mozean’ny saripika.

Raha tsiahivina, mirakitra tantara maro (tantaram-pirenena…), amin’ny alalan’ireo saripika voatahiry ao aminy ny « Mozean’ny saripika » eny Anjohy, tanàna avon’Imerina. Ny fisian’ny harena lehibe tahaka izany no ezahin’ireo mpitantana ho fantatry ny ankizy sy ny tanora miaina izao vanim-potoana izao mba hananan’izy ireo fototra matanjaka hanorenany ny hoaviny manaraka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: