Mipetrapetraka avokoa ny lamina rehetra nandritra ny famerenana ny matso, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly. Hiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy amin’ity satria handray anjara ireo Tafika Frantsay aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ao La Réunion. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO), ny Jly Andriamasimanana William fa tsy adika zava-kafa ny fahitana ireo miaramila Frantsay handray anjara amin’ny matso ireo fa efa fanao amin’ny firenena manana fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny toy izao. “Handefa andian-tafika malagasy koa isika handray anjara amin’ny matso amin’ny fetim-pirenena Frantsay, hatao any Paris, ny 14 jolay ho avy izao”, hoy izy. Mahatratra 3719 ireo vondron-kery rehetra handray anjara amin’ny matso ary fiarakodia 235, ankoatra ireo fiaramanidina sy helikoptera. Amin’ity matso ity no hanovana ny mozika famindran’ireo mpitsoka mozikan’ny Tafika izay efa naharitra 28 taona ny nihirana ny hira famindrana voalohany ataon’izy ireo. “Henontsika amin’ny fomba vaovao indray izany amin’ity matso ity”, hoy ny Jly Andriamasimanana William. Nohamafisin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa fa avelao any ny tsy fitovian-kevitra fa ny firenena no tokony hobanjinintsika amin’ity fetim-pirenena ity. Tsy misy andro lehibe toy izao. “Entanina isika hanaraka ny fandaminana. Fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna ary tsy hanavahana na iza na iza izany, raha misy mamboly korontana”, hoy kosa ny Seg, ny Jly Serge Gellé.
Jean Claude