Fokontany efatra no mandrafitra ny kaominina Anakao: Anakao Bas, Anakao Haut, Maromena ary Befasy. Vezo ny ankamaroan’ny mponina ao aminy izay mivelona amin’ny fanjonoana avokoa, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany Anakao Bas, Zafisoa Flanck. Mitondra fivoarana ho an’ny fokontany sy ny kaominina ny fambolena lomotra satria efa nihena be ny vokatra hazandrano, anisan’ireo mpamboly lomotra rahateo koa izy.
Teo aloha, mahazo horita 20kg rehefa mivoaka maraina ny mpanjono, amin’izao fotoana izao zara raha mitondra 3kg mody, indraindray aza tsy mahazo mihitsy ka voatery miverimberina miandriaka ao anatin’ny tontolo andro. 40 000 isam-bolana sisa ny vola entin’ny fivarotana hazandrano ho an’ny isan-tokantrano.
Mamboly lomotra avokoa ny mponina ao amin’ny fokontany efatra anatin’ny kaominina anakao, hoy ny ben’ny Tanàna, Gaston. 107 000 ny mponina ary mpanjono avokoa ny 90% amin’ireo. Sarotra ny fanjonoana noho ny fihenan’ny vokatra azo satria maro tamin’ireo mpamboly no nifindra monina teo amorontsiraka ary nampiasa ny ranomasina. Vokany, sady sahirana tamin’ny fivelomana ny olona no niteraka fahasimban’ny vatohara ny fitrandrahana diso tafahoatra. Nangataka tamin’ny orinasa Ocean Farmers izy ireo hamboly lomotra ho loharanom-bola maharitra. Ny filàna amin’ny tsena iraisam-pirenena mitombo hatrany.
Manana vina hametraka fari-dranomasina tsy azo ampiasaina mandritra ny fotoana voafetra ny vahoaka ao Anakao hamerenana indray ny fahasalaman’ny vatohara sy ny karazana trondro efa mitady ho lany tamingana. Fito ny fikambanan’ny mpanjono efa miaro ny vatoara ary misy tetikasa manampy amin’ny fanatanterahana izany.
Sarotra ny fivezivezena
Misedra olana koa ny fanabeazana, CEG ihany no misy ao anatin’ny kaominina ka matetika mijanona ny ankizy aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana BEPC. Sarotra koa ny fivezivezena noho ny fahasimban’ny fitaovam-pitanterana an-dranomasina (baka) mampitohy an’i Toliara sy ny kaominina Anakao. “Soa fa misy ny fizahantany amin’ny fitsidihana ny Nosy Ve sy Nosy Satrana manampy ny vola miditra”.
Vonjy Andrianjaka