Hotanterahina manomboka anio ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL)”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava. Fifanandrinana hotontosaina ny alahady ho avy izao, any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Mbola manala vela ny mpilalaon’i Bongolava satria efa resin’ny ekipan’i Boeny, tamin’ny isa 3 no ho 1 izy ireo, nandritra ny lalao mandroso.
Tsara ny mampahafantatra fa klioba roa mifankazatra tsara izy ireo, ary efa nifandona tao amin’ny kaonferansy avaratra. Marihina fa ny ekipa voafantin’i Bongolava no tompondaka lefitra tamin’ny taon-dasa, ary nanintsana ny CFFA Andoharanofotsy, tompondaka farany, teo amin’ny ampahefa-dalana. Ankoatra izay, hifandona, anio, any amin’ny kianja manara-penitra Mahitsy, ny AS Fanalamanga sy ny Cosfa. Mbola gidragidra ny amin’ny roa tonta satria nisaraka ady sahala, 0 no ho 0, izy ireo, tany amin’ny dingana voalohany.
Fitia (Mpianatra asa)