Lafo ny katsaka: nihena 50% ny mpiompy akoho

Tandindonin-doza ny seha-pihariana akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Nampahafantatra ny zava-misy ny fikambanana, vovonana iraisan’ny mpisehatra matihanina amin’ny seha-pihariana akoho eto Madagasikara (IPA), omaly.

Misedra olana ireo mpiompy akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Midangana ny vidin’ny sakafo fototra, indrindra ny katsaka. Nilaza i Anjaratiana Nomenjanahary, mpiompy matihanina, fa lany ividianana akora fototra ny 70%-n’ny sandam-pamokarana, ka matiantoka izy ireo satria lafo ny vidin-katsaka. Raha ny tokony ho izy, vidin’atody 3 sy tapany no hividianana provandy 1 kilao, nefa lasa vidin’atody 5 izany ankehitriny. Vokany, nahenan’ny mpiompy 50% ny akoho ompiany ary maro koa no niala an-daharana.

Indroa miakatra ny vokatra katsaka eto amintsika. Manomboka ny volana febroary ny voalohany, ary ny septambra ny faharoa. Tafakatra 2 700 Ar anefa ny kilao ny volana marsa sy avrily teo. Ankehitriny, manodidina ny 1 800 Ar ny kilao ary ahiana hiakatra 3 000 Ar mialohan’ny faran’ity taona ity. Anisan’ny mahatonga ireo koa ny mpanafina vokatra, ka lasa  tsy ampy 150 000 t ny tolotra satria 400 000 t ny filàn’ny mpiompy nefa 266 700 t ny vokatra eto an-toerana.

Mila mivondrona ny mpiantsehatra

Manoloana ireo, nilaza ny mpitambolan’ny IPA, Andriamanarivo Shekinah, fa manao kiririoka fanairana izy ireo. « Ndao hivondrona, satria ilaina ny firaisankina, ary mahavita zavatra rehefa maro isika mpiantsehatra rehetra miray feo ao anatin’ny IPA. Raha feno ny fepetra, afaka manondrana any ivelany isika, satria na i Kaomoro aza manafatra any Brezila, satria tsy afaka mifaninana ny vidin’ny akohontsika”.

Ho an’ny filohan’ny IPA, Razanamino Franck, takin’izy ireo ny fijeren’ny fanjakana ny lafiny hetra satria maro ny tsy mazava. Anisan’ny maha lafo ny vidin’ny provandy ny hetra (droit de douanes 5%, TVA 20%) tataovana amin’ny soja, satria afarana any ivelany.

Hany ka maro no lasa misehatra amin’ny tsy ara-dalàna. Manodidina ny 100 000 ny isan’ny mpiompy ara-dalàna, ankoatra ireo mpisehatra tsy mivantana toy ny mpamboly katsaka, ohatra.

Njaka Andriantefiarinesy

*IPA : InterProfession Aviaire Madagasikara

Partager sur: