Nosantarina omaly, ny fankalazana ny faha- 63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, tantanin’ny Ravinala Airports S.A. Taorian’ny fananganan-tsaina, nisy ny tranoheva mampahafantatra ireo sampandraharaha mifarimbona amin’ny asa andavanandro, ny fiarovana sy ny fiantohana ary ny vonjy taitra an’ity seranam-piaramanidina ity. Anisan’izany ny zandarimaria, ny polisim-pirenena manara-maso ny sisintany (Paf), ny Tafika ana habakabaka, ny sampana miaramila miaro ny sivily (CPC). Eo koa ireo sampandraharaha mifanandrify ara-miaramila, toy ny haban-tseranana (ladoany) sy ny Asecna. Ankoatra ny fandrindrana ny fivezivezena ana habakabaka, manana fitaovana manokana avo lenta mamono afo ny Asecna.
Eo koa ny fampirantiana ny lafiny kolontsaina malagasy, nataon’ny mpanakanto, ny « Varavaran’ny Tsiaro ». Ahitana sary sokitra, hosodoko, zava-bita amin’ny varahina, hita ao anatin’ny efitrano malalaka fandraisana ny mpandeha ao amin’ny seranam-piaramanidina ireo sanganasa ireo.
Njaka A.