Rugby – Lalao fihantsiana: hitsapa ny herin’ny Makis ny University of Bristol

Handray lalao iraisam-pirenena indray ny rugby malagasy. Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 25 jona, ny fihaonana fihantsiana, hikatrohan’ny Makis de Madagascar “senior” sy ireo mpianatra avy any amin’ny oniversiten’i Bristol, Angletera. Tafiditra ao anatin’ny fitetezam-paritra ataon’ireto Anglisy ireto ity fihaonana ity, ary fiomanan’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2024”. Tsiahivina fa anisan’ireo ekipa manana ny toerany sy ny fahaizany ary ny lazany any Angletera, ny University of Bristol ary ao anatin’ireo “Top 100 Mondial”, amin’ny filaharan’ireo oniversite maneran-tany. Faha- 81 izy ireo, ankehitriny.

Nitondra ekipa roa izy ireo amin’izao fivahinianany eto Madagasikara izao, ka ny ekipa “B”, hifanandrina amin’ny Makis U20. Ny zandrikelin’ny Makis, ao anatin’ny fiomanana amin’ny lalao sakana hifanaovana amin’i Senegal, hiadian-toerana hidirana ao anatin’ny “Top 8 Afrique”, hiatrehana ny “Can 2024”.

Ny ekipa “A” an-dry zareo Bristol, hitsapa ny Makis “senior”, hiverina hifanintsana ho an’ny “Mondial 2027”.

Ankoatra ity lalao ity, hisy ny fihaonana fihantsiana hifanaovan’ny USA Ankadifotsy sy ny CEA Andranomanalina. Ny Club Etoile Andrano, manomboka miverina amin’ny heriny ary naka ireo mpilalao sangany eto Madagasikara, ka eo no ahitan’ny rehetra azy indray taorian’ny fotoana lavabe tsy nahenoana azy ireo intsony.

Hisy koa ny lalao ho an’ny vehivavy, hifampitana ny SCB Besarety, tompondakan’i Madagasikara, sy ny FTM Manjakaray.

Tompondaka

Partager sur: