Tambazotran-jiolahy: mpangalatra 13 mianadahy nidoboka am-ponja 

Naiditra am-ponja vonjimaika ireo 13 mianadahy voasaringotra tamin’ny vaky trano  tao an-tapon-tanànan’i Manakara, ny 21 jona teo. Anaty  fikambanana, miandahy miambavy, ireto tanora ireto. Mivarotra rongony, manao sinto-mahery sy mangalatra entan’olona any an-trano izy ireo. Manana toerana voatokana hanafenana ireo entana halatra sy hidorohana zava-mahadomelina koa ireo jiolahy ireo. Nanao hetsika ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tamin’izany ny 16 mianadahy, ny 9 sy ny 10 jona teo. Natao ny fisavana, nahitana entana halatra maro toy ny radio, vilany, hatramin’ny fahitalavitra sy fitaovana mamokatra herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro teny amin’ireto olon-dratsy ireto. Natao famotorana, niakatra fampanoavana ny 21 jona teo ny raharaha. Vokany, nalefa any am-ponja  ny 13 raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika ny telo hafa.

Tsiferana R.

Partager sur: