Tontosa, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola Antaninarenina, ny fanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola, mitentina 8 tapitrisa Euros avy any amin’ny Vondrona eoropeanina. Hanatanterahana ny tetikasa « Programme d’Intégré d’Assainissement d’Antananarivo » (PIAA 2). Nanao sonia izany, ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola sy ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa eto Madagasikara ary ny Ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina.
Hisitraka ny fanampiana amin’izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana. Mba handaminana an’Antananarivo eo amin’ny resaka tondra-drano sy hanatsarana ny fotodrafitrasa manodidina an’Anosy sy manodidina ny Kianja Barea. Tanjona ny hamahana ny olana eo amin’ny fandehanan’ny rano sy hitantanana ny fidiovana ary ny loza ateraky ny tondra-drano.
Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina fa: “anisan’ny laharam-pahamehana eto amin’ny tanànan’Antananarivo ny fahadiovana sy fidiovana“. Nilaza izy fa olana sedrain’ny tanàna isan-taona ny tondra-drano. Efa antitra sy tsy mifanaraka intsony amin’ny isan’ny mponin’Antananarivo ny fotodrafitrasa ka tsy maintsy havaozina.
Mino (mpianatra asa)