Visa sandoka: jiolahy iray tratran’ny polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika ity jiolahy mpisoloky ity. Voasambotry ny polisy noho ny fanamboarana visa sy pasipaoro sandoka tany Fianarantsoa, ny 21 jona 2023 lasa teo, izy. Ny 18 mey 2023, nisy vehivavy iray nosamborin’ny polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato rehefa nikasa ho any France. Nahatrarana taratasy “visa” sy pasipaoro sandoka teny aminy. Naiditra am-ponja vonjimaika teny Antanimora izy taorian’ny fanadihadiana ka nampakarana azy fampanoavana. Nohafahan’ny fitsarana anefa ity vehivavy ity. Niverina nametraka fitoriana teny amin’ny polisy izy. Nilaza izy fa nisy tovolahy iray nisoloky azy satria naka vola 30 tapitrisa Ar taminy hanamboarana Visa Shengen sy pasipaoro vaovao.

Jean Claude

Partager sur: