Hanomboka anio, any Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, latsaky ny 19 taona. Vonona ny hanohitra ny Amerikanina ny Ankoain’i Madagasikara.
Hiakatra an-kianja voalohany anio, amin’ny 1 ora ny Ankoay, ekipam-pirenena malagasy, ao anatin’ny fifaninanana “World Cup U19”. Miandry ny ekipan’ny Coach Randria Aimé sy Razazarohavana Malalatiana ry zareo Amerikanina. “Vonona ny hanoratra tantara izahay”, hoy ny mpilalao. Nilaza Rakotonanahary Donovan, mpilalao mila ravinahitra any Etazonia fa: “Azo resena tsara i Etazonia na dia fanta-daza maneran-tany aza. Nanamafy ny mpanazatra fa tsy mifanalavitra amin’ny toe-batan’ny Malagasy ny mpilalaon’i Etazonia. Ny Amerikanina izay manantombo amin’ny teknika sy ny traikefa ka mila fahamailoana. Mpilalao efatra amin’ny mpilalaon’i Etazonia ihany no mirefy mihoatra ny 1m 90, araka ny fikarohana natao.
Inefatra nahazo ny tompondaka eran-tany ny mpilalaon’i Tad Boyle, tao anatin’ny andiany 5 farany. Midika izany fa tsy mora ny miandry ny Ankoay amin’izao andro voalohany izao. Nilaza ny malagasy mpilalao fa tsy hampihemotra azy ireo izany. Hiatrika ny lalao faharoa rahampitso ny ekipam-pirenena malagasy. Hifandona amin’ny ekipan’i Liban i Madagasikara. Haka aina ny ekipa ny alatsinainy mialoha ny lalao fahatelo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hatao ny talata.
Tsiahivina, nanoman-tena tany Frantsa, tany Serbie ary teto Madagasikara, amam-bolana ireto Malagasy mpilalao ireto. Niatrika lalao ara-pirahalahiana maro teto an-toerana sy tany ivelany. Nanao fanazarantena tsy ankiato. Fehiny, vonona ara-batana sy ara-tsaina, hiatrika ny “World Cup U19” izay manomboka anio hatramin’ny 2 jolay, ao Debrecen Hongrie, ny Ankoay.
Mi.Raz