Hifarana ny 29 jona ho avy izao ny hetsika fampirantiana sary hosodoko hanehoana ny zon’ny ankizy, atao etsy amin’ ny zaridainan’Antaninarenina. Nandray an-tanana nanao izany, ireo ankizy rehetra eo anivon’ny Association enfants Antananarivo (AEA). Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Izaho sy ny zo”.
“Mbola betsaka ny ankizy malagasy tsy misitraka ny zony feno, amin’ny ankapobeny, ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny mpanentana eo anivon’ny fikambanana, Heriniaina Marie Christine. “Anisan’izany, ny tsy fisitrahan’ ny ankizy ny ny kopia eo am-piterahana sy ny ankizy iharan’ ny herisetra”, hoy izy. Na dia eo aza ny fanampian’ny fikambanana sy ny mpanao asa soa mizara sy manampy ny ray aman-dreny amin’ny fampananana kopia eto amintsika. “Manan-jo hitia izay tiany hotiavina ny olona fa tsy tokony ho sakantsakanana”, hoy i Murielle, 6 taona, ankizy eo anivon’ny fikambanana.
Manampy ireo ankizy sahirana ara-pivelomana sy miaro ny zon’izy ireo, ny antom-pisian’ny fikambanana. 135 (5 hatramin’ny 18 taona) ireo ankizy manodidina an’Antananarivo, nisitraka izany hatramin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana. Monina eny amin’ny faritra iva sy avy amin’ny fianakaviana sahirana avokoa izy ireo. Beazina mifototra amin’ny fiarovana ny zony ireo ankizy. Omena fitaovam-pianarana ihany koa ireo manala fanadinana.
Ankoatra izay, omena fahalalana mikasika ny taranja hianarana any an-tsekoly izy ireo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy ny hetsika, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Mino (mpianatra asa)