CEPE : tsara ny voka-panadinana teto an-drenivohitra

Tsara ny vokatra CEPE, teto Antananarivo Renivohitra sy ny Cisco manodidina. Nidina ny fahaizan’ny mpianatra tao Toamasina. Marefo ny vokatra any Kandreho.

77, 10% ny taham-pahafahana fanadinana CEPE teto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro. Tsara
koa ny voka-panadinana ho an’An­tananarivo Avaradrano. 84,24% ny taham-pahafahana raha 82,60% tamin’ny taon-dasa. Toraka izany ny tao Anta­nanarivo Atsimondrano, 83,74% raha 82,63% tamin’ny herintaona.
Efa nivoaka ny ankamaroan’ny voka-panadinana amin’ny Cisco rehetra manerana ny Nosy. Miohatra ny 50% ny taham-pahafahana. Mbola marefo kosa ho an’ny ao amin’ ny Cisco Besalampy (46,65%) sy Kandreho (46,57%).

Niharatsy

Nivory ny alahady lasa teo ny mpampianatra ao Toama­sina. Fivoriana nentina nanapaka ny naoty farany horaisina amin’ny fahafaham-panadi­nana CEPE. Tapaky ny besinimaro fa 9/20 izany. Rehefa vita ny sivana, nahatratra 80,32% ny taham-pahafahana fanadinana. Nitotongana raha ampitaiana tamin’ny taon-dasa izay nahatratra  86,66%. 9,50/20 anefa ny naoty farany ambany tamin’ny 2022. Nidina, araka izany, ny fahaizan’ny ankizy niatrika ny fanadinam-panjakana voalohany tamin’ ity taona ity. Tamin’ny taona 2021 no tena hita taratra ihany koa ny fidinana (68,88%) noho ny fisian’ny Covid-19
Nidina toy izany ny tany Vatomandry, 74,91%. Naha­tratra 7 700 ny isan’ny mpia­dina voasoratra anarana, 113 tsy tonga. Tao ireo tsy naha­loa ny saram-pianarana ka
tsy na­hazo ny taratasy fian­tsoana. Nisy ny mpianatra maty. Ny hafa kosa tsy fahasalamana.
Anisan’ny nahitana ny kandidà nahay indrindra ny tao amin’ny sekoly naorin’ny tetikasa Ambatovy izay nampianarana ireo zanaka fianakaviana sahirana. Nahazo ny salanisa 19, 17/20 izy.

Tatiana sy Sajo

Partager sur: