ENS Ampefiloha : manandratra ny hasin’ ny teny malagasy

Nifarana ny zoma teo ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy, teny anivon’ny Ecole normale su­périeure (ENS) Ampefiloha. Nokarakarain’ny mpianatra rehetra teo anivon’ny sekoly. Nampitondrainy ny lohahevitra hoe: “Teny malagasy, fototra mampandroso ny fanabeazana”.Tanjona ny hanandratana ny teny sy ny maha-Mala­gasy manoloana ny rivotra mitsoka avy any ivelany. Na­nambara ny tale mpitantana ny ENS Ampefiloha, Dr Ra­sen­drahasina Vonjy fa: “lasa antsirambina ny fampiasana ny teny malagasy eto amintsika”. Nilaza izy fa manana andraikitra goavana manolo­ana izany ny sekoly, mba hamerina ny hasina sy hanandratra avo ny teny malagasy. “Antoka iray anisan’ny mampandroso ny firenena sy ny fanabeazana izany”, hoy izy. Tokony ho vahindohan-draharahan’ny fanjakana, noho iza­ny, ny hanome vahana ny teny malagasy amin’ny sehatra rehetra (raharaham-panjakana, raharaha politika…). Mety ho sarotra ny fampitana ny fanabeazana raha toa ka tsy manome lanja izany isika eto Madagasikara. Nivelona tamin’ny fanaovana antsan-tononkalo, kabary nifambidiasana, fampirantiana ny maha-Malagasy, hetsika ara-javakanto ary nofaranana tamin’ny vela-tsihy ny hetsika, nandritra ny roa andro.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: