Manamarika ny faha-30 taona niaraha-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Marie Stopes Madagascar (MSI). Nampiroborobo ny fandrindram-piterahana no tena nampalaza azy.
Tany amin’ny taona 1992, teo amin’ny 5% ny tahan’ny fanaovana fandrindram-piterahana moderina. Efa manakaiky ny 55% izany amin’izao fotoana. “Tsy tokony hiteraka miohatra ny 2 intsony ny tokantrano satria izay no zakan’ ny fahefa-mividin’ny Malagasy”, hoy ny Dr Lovahasina Vahatriniaina, tale misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana.
“Ambony loatra ny tahan’ ny fitondrana vohoka alohan’ ny faha-15 taona eto Madagasikara. Ny 36%-n’ny zaza malagasy no bevohoka mialohan’ny faha-15 taonany”, hoy ny tale misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana, Dr Lovahasina Vahatriniaina.
Mahatratra 4 tapitrisa ny olona lahy sy vavy nisitraka karazana tolotra ara-pahasalamana tao anatin’izay 30 taona, hoy ny tale misahana ny firenena miteny frantsay iasan’ny Marie Stopes, Razafinirinasoa Lalaina.
Fisitrahana ny fandrindram-piterahana ny 80% amin’ireo ka adolatsento ny 20% ary tanora ny 45%. Karazana fandrindram-piterahana miisa 12 tapitrisa no natolotra nandritra izany.
Manodidina ny 40 000 ny zaza teraka ary reny an’aliny no avotra teo am-piterahana rehefa nanaovana fanaraha-maso akaiky nandritra ny fitondrana vohoka. Betsaka ny fanavaozana nentin’ny Marie Stopes tao anatin’ny 30 taona niasany.
Tatiana A