Fanafihana mahery vaika: roa lahy voatifitra, vehivavy roa takalonaina

Namoy ny ainy voatifitry ny dahalo ny roa lahy mianaka. Nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ny vehivavy roa.

Habibiana mahatsiravi­na !  Nasesin’ny dahalo novonoina tao amin’ny trano fonenany ny raim-pianakaviana sy ny lehilahy iray hafa tao amin’ny fokontany Sahamamy, distrikan’Am­pa­rafaravola, ny alin’ny 23 jona hifoha ny 24 jona teo. Ni­tondra fitaovam-piadiana ma­hery vaika, niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity ireo dahalo am-polony. Nitaky vola, nampiasa hery nentina nampitahorana ny iray trano izy ireo. Raikitra avy hatrany ny tifitra. Voa tamin’izany ilay raim-pianakaviana  sy ny lehilahy iray 21 taona. Vokatry ny ratra mafy, maty tsy tra-drano izy mianaka. Nodarohan’ireo tsy mataho-tody koa ny zazalahy 10 taona. Tsaboina eny anivon’ny CSBII ity farany. Tetsy ankilany, naka an-keriny roa vavy mpianaka ireo dahalo. Nokorontanin’izy ireo ny trano. Nentiny nandositra ireo roa vavy ho takalonaina. Nahare ny tranga, niantso ny zandary miasa ao an-toerana ny ben’ny Tanàna ao Sa­hamamy. Nidina ifotony, nahitana piti-bala 7,62 mm tao amin’ny tokantrano lasibatra. Nanara-dia ireo dahalo ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana.

Dahalo maty
Ankoatr’io, maty voatifitry ny mpitandro filaminana i Dalisy, dahalo raindahiny. Sarona tao Anony, kaominina Vohimena, fari-piadidiana ma­nasaraka ny distrikan’Ampa­ra­faravola sy Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny 24 jona teo. Mpangalatr’omby efa ikoizana. Nokarohina nanomboka ny oktobra 2017 ity dahalo ity. Nandravarava tao Ambato­malama i Dalisy sy ny namany tamin’io fotoana io. Tra-tehaka ity farany ka izao lavo izao.

Tsiferana R.

Partager sur: