Faritra arovana any Boeny: avo dimy heny ny sanda ara-toekarena

Anisan’ny Faritra arovana (AP) any amin’ny faritra Boe­ny, ny tandavanala Mahavavy Kinkony (CMK), Antrema ary Ankarafantsika. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Tahi­rimbola ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo iainana eto Madagasikara (FAPBM), ma­nan-danja, avo dimy heny, ny anjara toekaren’ireo harena voajanahary raha oharina amin’ny sara-pitantanana isan-taona. Mitentina 101,649 miliara Ariary (23 264 922 dolara) ny anjara toekarena isan-taona ho an’ireo Faritra Arovana telo ireo raha mahatratra 20 060 420 017 Ar (4 591 330 dolara) ny saram-pitantanana.
Manampy ireo mitazona ny fikorinan’ny loharano ny ala, ilaina amin’ny fivelomana sy ny fiharian’ny mponina. San­tionany, ny lanja entin’ny faritra arovana Ankarafan­tsika. Misy farihy miisa fito, mitotaly 162 ha ao aminy, mamatsy lemaka tanimbary maherin’ny 38 000 ha any Marovoay, ary 8 000 ha any amin’ny tapany atsimo.
Misy koa ny ala rofia, mahatratra 527 ha, akora ilaina amin’ny asa tanana sy ny taozavatra ho an’ny vehivavy.

Njaka A.

Partager sur: