Fetin’ny fahaleovantena malagasy: nitondra fandresena ho an’i Madagasikara ireo atleta

Nifanindry an-dalana tamin’ny fetin’ny fahaleovantena malagasy, nitondra ny anjara birikiny nanome fandresena ho an’i Mada­gasikara ihany koa ireo atleta malagasy, niatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Ho an’ny taranja Judo, nanao pao-droa, ka nandrombaka medaly vola­mena roa tamin’ny “Coupe d’Afrique” sy ny “Open d’Afri­que”, natao tany Niamey, teo amin’ny sokajy Junior sy sokajy Se­nior, latsaky ny 70 kg, Rasoa­naivo Razafy Aina Laura. Ny zoma lasa teo i Laura no nahazo ny medaly voalohany ary ny alahady 25 jona kosa no nahazo ny medaly faharoa. Ilay teratany kameroney, Zita Biami no nifanandrina taminy, teo amin’ny famaranana.
Anisan’ny namiratra ihany koa i Sitraka Mampi­rindra, teo amin’ny taranja Bras de fer. Nandrombaka medaly 4 izy nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Accra, Ghana, ny faran’ny herinan­dro teo.

Tompondakan’i Afrika “Bras de fer”
Medaly volamena iray sy volafotsy 3 be izao no norombahany, teo amin’ny sokajy maherin’ny 100 kg. Nigadona an-tanindrazana, omaly tamin’ny 3 ora sy sasany hariva, ny delegasiona malagasy. Namba­rany fa voninahitr’i Mada­ga­sikara no nentiny tany Ghana ka faly izy fa nitondra fandresena, indrindra amin’izao faha-63 taonan’ ny fahaleovantena mala­gasy izao.

Mi.Raz

Partager sur: